Boky Toro Lalana Hoan’ny Mpitran- Draka Drakaka Anaty Ala-Honko Scylla serrata

No hay miniatura disponible

Fecha

Autores

Título de la revista

ISSN de la revista

Título del volumen

Editor

FAO/IOC ;

Resumen

Descripción

Ny fandaharan’asa SMARTFISH, izay mahasahana ny faritra andrefan’ny ranomasimbe indianina dia manohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatra fitrandrahana hazandrano, ao anatin’izany ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny firenena mpikambana ao aminy. Nametraka soso-kevitra tamin’ny fandaharan’asa SMARTFISH ny fanjakana Malagasy ny mba hampidirana ny seha-pitrandrahana nenti-paharazana, anisan’izany ny momban’ny drakaka monina anaty ala-honko (Scylla serrata). Ny fandaharan’asa amin’io sehatra i o dia efa nanomboka tamin’ny volana Novambra 2011. Ny tomban’ezaka ary ny fanadihadiana momba izany dia nahafahana nametraka toromarika maromaro. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanenàna ny taha-pahafatesan’ny drakaka avy nofandrihana ho iray ampaha-telon’ny vokatra ho amin’ny roa na telo taona manaraka. Fehikevitra nivoaka tao Antananarivo tamin’ny volana Marsa 2012. Efa maro ireo ezaka natao miaraka amin’ireo mpandraharaha eo amin’io seha-pamokarana io mba hanenàna ny tahapahafatesana (m pajono, mpanangombokatra, mpivarotra, mpanondrana any ivelany). Ity boky kely ity dia natao ho fampianarana ny lafiny ara-teknika sy ny fomba fiasa andavanandro mba hanenàna ny tahan’ny drakaka maty. Ny fanentanana dia hamafisina amin’ny alàlan’ny sary mihetsika, radio, fisikina na lambaoany. Ity boky kely ity dia natao indrindra ho an’ny mpandraharaha sy mpikirakira drakaka, ny teknisiana, sampandraharaham-panjakana misahana ny jono, fikambanana tsy miankina manao hetsika eo amin’ny sehatry ny jono nentipaharazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra eny amin’ny faritra misy ala-honko. Ity boky ity dia natao ho afaka ampiasain’ireo mpitrandraka drakaka tsy mahay mamaky teny, satria afaka manaraka ny torolàlana amin’ny alalan’ny sary izy ireo .

Palabras clave

Citación