Fanatsarana ny sandambidin’ny drakaka anaty ala-honko amin’ny alàlan’ny fampihenàna ny taha-pahafatesana aorian’ny fanjonona

dc.creatorKasprzyk, Z.
dc.date2023-04-27T11:58:10Z
dc.date2023-04-27T11:58:10Z
dc.date2014
dc.date2019-05-28T16:24:02.0000000Z
dc.date.accessioned2026-06-28T00:29:11Z
dc.descriptionNy fitrandrahana ny drakaka “Scylla serrata” amin’ny fomba nenti-paharazana any anaty ala-honko dia tsapa ho miroborobo tao anatin’ny fe-potoana fohy. Io fomba fiasa io anefa dia miteraka taha-pahafatesana maro teo amin’ny fikarakarana ny vokatra amin’ny ankapobeny.32% ny fitambaran’ny taha- pahafatesana raha araka ny kajy nataon’ny fandaharan’asa SmartFish hoan’ny firenena iray manontolo. Eo anatrehan’izany dia hametraka tanjona hampidina ho iray ampahatelon’io taha io ny Fanjakana Malagasy mia loha ny faran’ny taona 2015 miaraka amin’ny mpandraharaha amin’ny sehatra drakaka sy ny fandaharan’asa SmartFish. Nandray andraikitra ny fandaharan’asa SmartFish mba hampisehoana ny fomba hahatratrarana ny tanjona ao anatin’ny 15 volana. Nanome soso- kevitra ary nosedraina niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka ireo teknika sy fandaminana mba hampihena ny taha-pahafatesana nandritry ny fitahirizana, ny fitaterana ary ny fivarotana ny drakaka velona. Mba hahatratrarana ny tanjona eo amin’ny fa mpihenana ny taha-pahafatesana voamarika teo amin’ny fikirakirana ny drakaka, dia zava-dehibe ny mampiely ireo toromarika teknika voasedra sy nahitam-bokatra (fampihenàna ny taha- pahafatesana sy fanatsarana ny fidiram-bola ho an’ireo mpitrandrakadrakaka) Mba hahatomombana ny fanatanterahana izany dia eo ireo fitaovana fandresen-dahatra sy fanapariahana amin’ny vahoaka ny boky fianarana .Ity boky fianarana teknika ity no isan’ny fitaovana mandrafitra izany. Ny toko voalohany dia mamelabelatra ny maha zava-dehibe ny fitrandrahana drakaka eto Madagasikara ary manazava ny olana mahakasika ny fahaverezana aorian’ny jono. Ny toko faharoa kosa dia mampiseho ny hetsika tari-dalana nataon’ny fandaharan’asa Smart Fish mba hampihenàna ny taha-pahafatesan’ny drakaka. Ny toko fahatelo dia mampatsiahy ireo fomba fiasa mahomby tokony hajain’ny mpikirakira ny drakaka.
dc.format79 p.
dc.formatapplication/pdf
dc.identifierhttps://openknowledge.fao.org/handle/20.500.14283/az050mg
dc.identifierhttp://www.fao.org/3/az050mg/az050mg.pdf
dc.identifier.urihttp://hdl.handle.net/123456789/310504
dc.languageMalagasy
dc.publisherFAO/IOC ;
dc.relationSmartFish-FAO Report
dc.rightsFAO
dc.titleFanatsarana ny sandambidin’ny drakaka anaty ala-honko amin’ny alàlan’ny fampihenàna ny taha-pahafatesana aorian’ny fanjonona
dc.titleFanatsarana ny sandambidin’ny drakaka anaty ala-honko amin’ny alàlan’ny fampihenàna ny taha-pahafatesana aorian’ny fanjonona
dc.typeBook (series)

Archivos